Actualités

Pastera Mailhol Hivavaka ho an’ny firenena mba tsy hiverenan’ny valan’aretina


  • Alarobia 02 Desambra 2020

Hivavaka ho an’ny firenena Pastera Mailhol sy ireo mpino eo anivon’ny

 

 

Fiangonana Apokalipsy amin’ny sabotsy ho avy izao. Eny amin’ny kianjaben’Ambohijatovo no hanatanterahana izany, vavaka izay hiompana manontolo amin’ny fisaorana an’Andriamanitra noho ny fifaranan’ny taona 2020 sy ny fisokafan’ny fiangonana nefa koa hangatahim-pitahiana ho an’ny firenena tsy ho latsaka anaty krizy lalina sy tsy hiverenan’ny valan’aretina Covid 19 intsony. Ankoatra izay dia hanao jery todika ireny karazana faminaniana navoakany nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona ireny ihany koa Pastera Mailhol. Raha araka ny fanazavany omaly dia nahazo alalana soamantsara avy amin’ny prefe izy ireo ary nanasa ireo olona manan-kaja ambony rehetra eto amin’ny firenena eny hatramin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Matetika anefa ireo olona hasaina tsy tonga hoy pastera saingy fifanajana no hatao no sady hitondrana am-bavaka ny firenena ihany koa. Ho an’ireo olona milaza fa mpanao famakafakana moa Pastera Mailhol fa tsy mpaminany akory dia nomarihiny fa tena mpanao famakafakana hikoizana tokoa izy. Ny tena mahavariana hoy izy dia zavatra mbola amin’ny 10 taona ho avy dia efa hitako sahady ary lazaiko. Tanteraka avokoa ny ankamaroan’izy ireny hoy izy toy ny nilazany fa hisy filoham-pirenena malaza hiongana amin’ny toerana amin’ity taona ity, ny fisian’ireo olo-malaza marobe hamoy ny ainy….Notsiahiviny manokana moa fa baiko azony avy amin’Andriamanitra io fotoana hotanterahiny amin’ny sabotsy io ka hisy ny anjara fitahiana ho azon’ireo izay ho avy hamaly izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT