Actualités

“Passerelle Internationale unique» Mandŕ ny hitantanan’ny orinasa vahiny ny GOTICOM


  • Zoma 04 Martsa 2011

Nahita marimaritra iraisana ireo mpandraharaha telo goavana momba ny finday sy ny fanjakana mikasika ny «Passerelle Internationale Unique» matoa niverina nanao dokambarotra indray nanomboka tamin’ity volana ity ireo orinasam-pifandraisana ireo.

Hatreto anefa dia tsy mbola misy ny fanambarana ofisialy na avy amin’ireo mpandraharaha na koa ny FAT momba izay fifanarahan’ny roa tonta izay. Eo anatrehan’izany indrindra dia mitaky ny fampahafantarana ny vahoaka ny votoatin’io fifanarahana io ny GOTICOM. Nambaran’i Gil Razafintsalama, talen’ny GOTICOM fa azo ekena ihany ny fampiharana ny «Passerelle Internationale Unique» saingy tokony hazava ny lalàna mifehy azy. «Apetraka aloha ny lalàna vao irosoana izany. Tokony ho orinasa eto an-toerana ihany koa anefa no hisahana ny fanaraha-maso ny fifandraisana avy any sy makany ivelany fa tsy orinasa vahiny akory», hoy izy. Ny zava-misy atsy Maorisy no heverin’ny GOTICOM fa tokony hampiharina eto satria orinasa miorina ao an-toerana ihany no mitantana ny “Passerelle Internationale Unique” any an-toerana.

Raha ny loharanom-baovao voaray moa dia tsy mety mihemotra amin’ny heviny momba ny fampiharana ity tetikasa ity ny fanjakana. Momba ny Maorisy izay ihany dia tontosa omaly fanaovan-tsonia momba ny fiaraha-miasa eo amin’ny OTAM sy ny GOTICOM. Ny OTAM izay vondrona mpandraharaha miasa eo amin’ny sehatry ny teknolojia moderina. Hiompana amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao ny fiaraha-miasa ka hisy ny tanora Malagasy hiofana any Maorisy. Mikasika izay fampiasana izay ihany nisy ny amin’ny izay notanterahin’ny GOTICOM sy ny OTAM avy atsy Maorisy. Amin’izany indrindra, hisy Malagasy alefa hiofana any Maorisy atsy ho atsy vokatr’izany.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT