Actualités

Paska Antsirabe Nanjakan’ny alikaola tanteraka


  • Talata 10 Aprily 2012

Fetin’ny Alikaola ! Izay no azo hamintinana ny fetin’ny Paska Antsirabe raha ny zava-nisy nandritra iny herinandro masina iny no jerena tao an-toerana.

 Io mantsy no nisongadina nandritra ny andro maromaro izay nanomboka ny alakamisy 05 aprily hatramin’ny omaly alatsinainin’ny paska 09 aprily. Nanjaka tamin’izany ny zava-pisotro vokarin’ny orinasa THB mpanohana ny hetsika miaraka amin’ny Kaominina Antsirabe Ambonivohitra, satria raha ny vokatra labiera fotsiny dia mahalany 6.000 tavoahangy ny mpamongady iray isan’andro, kanefa misy karazany maro ireo tolotra nandritra ny fety. Akoatra io orinasa manohana io moa dia nisy ihany koa ny mpamokatra zava-pisotro misy alikaola nidina tao Antsirabe ka raha ny tazana dia orinasa niisa dimy no nanatobaka ny vokany tao Antsirabe nandritra ny fety ary nisy ny fanandramana maimaimpoana amin’izany.

Anisan’ny tsikaritra ihany koa ny fahabetsahan’ireo mpivarotra izay maninjara ka ireo zava-pisotro avokoa no tena amidy amin’izany ka tsy mifidy toerana intsony hamelarana ireo entam-barotra fa na dia ny nanoloana ireo biraom-panjakana aza dia lasa Bar avokoa toy ny teo anoloan’ny biraon’ny Kaominina sy ny Biraon’ny Distrika. Raha fintinina dia saika ny alikaola no nanjaka fa tsy tazana intsony ilay lazan’ny fetin’ny Paska teo aloha tao Antsirabe. Maro moa ny mponina no nimenomenona ka maniry ny tsy hanaovana ity THB tour ity intsony ao anatin’ny fetin’ny Paska fa tena atao fety mahaleo tena tanteraka raha toa ka tsy maintsy hataon’ny Kaominina sy ny mpanohana azy.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT