Actualités

Pasitera Mailhol Nanamafy ny hitondrany firenena amin’ny taona 2013


  • Alarobia 02 Mey 2012

Kaonferansa lehibe nanazavana ara-matematika ny Baiboly sy ny bokin’ny Apôkalipsy naharitra hateloana, fanaovana batisa ireo mpino Apôkalipsy ary fananganana ny antoko GFFM na Gideona Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara tao Amoron’i Mania.

 Ireo no niompanan’ny fitetezam-paritra notanterahin’ny Pasitera Mailhol, Filohan’ny Fiangonana Apôkalipsy eto Madagasikara tao Ambositra nanomboka ny alarobia 25 aprily hatramin’ny sabotsy 28 aprily lasa teo. Fahombiazana ny hetsika nataony satria nahavory olona an’arivony isan’andro tao Antamponivinany ny fampianarana Baiboly nataony. Ireo paik’ady hiadiana amin’ny zavamahadomelina sy ny fahantrana ary ny kolikoly izay mangeja ny olona ankehitriny ary ny fomba fahazoana fitondrana dia nasongadiny tamin’ny fihaonany tamin’ny vahoaka. Niaiky ny fahendren’ny vahoaka ao Amoron’i Mania sy ny fananana faharetana ny Pasitera Mailhol satria adiny efatra isan-kariva ny fampianarana nataony ka tsy rava izany raha tsy amin’ny 10 ora alina nefa tsy nisy niala ny mpanatrika.

Mikasika ny raharaham-pirenena ankapobeny dia nambarany tamin’ny mpanao gazety tao Ambositra fa izy no hapetrak’Andriamanitra hitondra an’i Madagasikara amin’ny taona 2013 ary hanova ny fomba fitondrana nisy teto hatramin’izay ny tenany rehefa tonga eo. Tafatsangana tamin’ny fomba ofisialy nandritra izao fandalovany tao Ambositra izao koa ny Antoko GFFM ao amin’ny Faritra izay ahitana ireo solontena avy amin’ny Distrika efatra sy ny Faritra Imadiala. Naneho ny fahavononany hiatrika ireo fifidianana ho avy ity Antoko miaraka amin’i Pasitera Mailhol ity. Marihana fa tsy mbola manana Fiangonana ny mpino Apôkalipsy ao Ambositra noho ny tsy mbola nahitana tany hanorenana ka voatery mivavaka ao amin’ny Tranompokonolona izy ireo.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT