Actualités

Pasitera Mailhol Manarina ny fahavoazany


  • Alarobia 20 Martsa 2013

Satria efa manakaiky ny fahatanterahan’ny faminaniana izay efa nambarako ombieny ombieny amin’ilay fametrahana ahy hitondra ny firenena amin’ity taona 2013 ity dia misy manao kajikajy politika hanimbana ny tenako sy ny hoaviko, hoy ny Pasitera Mailhol raha nihaona tamin’ny mpanao gazety vitsivitsy omaly.

 Tena manara-maso ahy avokoa ny olon-drehetra ankehitriny, hoy izy, fa hatramin’ny telefaonina findaiko aza misy mihaino. Mikasika ilay trangan-javatra niseho teny Ambohipo ka nahamay fiara 4x4 iray an’ny Apokalypsy tamin’ny sabotsy, dia nambarany fa efa milamina iny nefa dia “iniana roritina mba hanapotehana ahy”. Efa nisy ny hetsika famitranam-pihavanana natao tamin’ny mponina teny Ambohipo, hoy izy, ary dia hisy ny fizarana ny nofon-kena mitam-pihavanana amin’ny alahady izao ao amin’ny Fokontanin’Andohanimandroseza miaraka amin’ny totorebika iarahana amin’ny artista manokana. Mitady izay horangotiny ny vahoaka ankehitriny noho ny fahasahiranana mahazo azy, hoy ny Pasitera Mailhol, ka maro ireo nanatona nitaraina  tahaka ireo tanora mpanao fanatanjahantena sy ireo mponina nitaky ny hanamboarana ny lalankely mankao aminy. Namaly izany avy hatrany moa ity pasitera ity ka nilaza fa izay vita ihany aloha no ezahany tanterahana satria tsy anjarany ny manao izany asa izany. Azoko atao kosa anefa, hoy izy, ny manampy ny Fokontany amin’ny lafiny sasantsasany izay tena manahirana ny vahoaka.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT