Actualités

Pasitera Edouard Tsy mila olona miovaova hevitra ny tolona


  • Alarobia 16 Martsa 2011


“Tsy hay isika raha akanga sisa nanamborana na akanga sisa hosamborina”, hoy ny Pasitera Edouard tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka omaly talata 15 martsa. “Mbola misy ihany ny tsy mino fa handresy ny ankolafy 3”, hoy izy izay nampahatsiahy fa tsy vavaka hahazoana seza no atao eto fa vavaka hanavotana ny firenena. Tsapa ankehitriny fa mpaminany Ravalomanana, ireo olona rehetra voafidy tamin’ny anarany na natolony dia tiany hotsarain’ny vahoaka ka fantatry ny vahoaka ankehitriny fa tsy Ravalomanana no ratsy. Ny politika dia miaraka amin’ny vahoaka foana.

Tsy mila olona miovaova hevitra ny tolona ary ny marina tsy mba maty. Ho “surprise” ho an’ny FAT ny valin-teny avy any ivelany”, hoy izy. Voaporofo kosa izao, hoy i Désiré Rakotondramanana fa ireo nanoso-potaka an’i Tonton Ambroise ho mpamadika ka nahatonga azy hanorina ny FRDL no tena namadika an-dRavalomanana. Ankoatra izay dia mitohy ny fitetezana ireo masoivoho vahiny hanaterana taratasy milaza ny tokony hanatanterahana fihaonana an-tampony iarahan’ireo mpitarika ankolafy atao eto Madagasikara, hikatsahana miaraka ny vahaolana hamaranana ny tetezamita.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT