Actualités

Pasitera Edouard Tsarahame Vonona hitondra ny baolina


  • Alakamisy 14 Aprily 2011


Nahagaga sady nahafaly no naharavo ny mpitolona tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly ny fiakaran’ny Pasitera Edouard an-dapihazo niaraka tamina fanamiana mpanao baolina ambony ambany. Tsy nataotao foana izao fitafiana izao, hoy ny lehilahy fa milaza ny faharisihana hanao zavatra. «Izaho dia miteny fa vonona. Misy fitsipika daholo ny zavatra rehetra, na politika aza, fa ny tanjona dia fampandrosoana firenena. Raha ny sonia no hoe hanavotra firenena dia izay no fitsipika. Rajoelina dia nivadika tamin’ny fanekena tamin’ny Iraisam-pirenena sy tamin’ny vahoaka ka mahazo karatra mena. Karatra mavo in-droa tsy mahazo miverina eto intsony kosa ny an’ireo nivadika», hoy i Pasitera Edouard. Toa efa nanoritsoritra ny lalan-kombana amin’izany fitondrana vaovao izany kosa ny mpitari-tolona Camille Mektoub izay nilaza fa mipetraka mialoha mialoha ny fanambaran’ny SADC amin’ny 20 na 28 mey ny tetezamita tena izy. Tsy afaka matory isika, toy ny any Soudan, ny prezida voasazy nefa afaka mandehandeha.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT