Actualités

Pasipaoro – « Permis » - « Carte grise » Vaky ambatolampy ny nafenina


  • Sabotsy 23 Jolay 2016

Niteraka resabe ny fanamboarana pasipaoro biometrika. Nikatso efa ho tapabolana ny fanomezana azy tetsy amin’ny polisy misahana ny fifindra-monina Anosy.

 

 Olana teknika no nambaran’ny tompon’andraikitra fa antony. Fifanojoan-javatra ve sa misy ifandraisany fa nikatso toy io koa ny famoahana taratasy fahazoan-dalana hamily fiara etsy Ambohidahy ary dia olana teknika teo amin’ny milina mpanonta azy koa no nambara fa antony. Efa samy niverina amin’ny laoniny tamin’ity herinandro ity moa na ny famoahana pasipaoro biometrika na ny taratasy fahazoan-dalana hamily fiara izay natao biometrika ihany koa ankehitriny, saingy baraingo kosa hoe haharitra hatramin’ny oviana satria raha ny fantatra dia efa ambivitra ny tahirin’akora fanamboarana azy ireo. Resa-bola tsy voaloa mantsy no tena fototry ny olana ka nampiatoan’ny mpamatsy ny fanomezana ireo akora ireo, na dia inian’ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga afenimpenina aza izany. Tsy voaloa ny volan'ny mpamatsy fitaovana sy ny pitsopitsony fanaovana amin’ny fanamboarana io pasipaoro biometrika io, izay teratany israelianina no nahazo io tsena goavana io. Toy izay koa ny taratasy fahazoan-dalana hamily fiara sy ny taratasin’ny fiara na “carte grise”, izay teratany Malagasy, anisan’ireo kandida ho praiminisitra tamin’ny fanendrena farany ny aprily 2016 teo, no tompon'ny orinasa nahazo ny tsena.

Tao anatin’ny fikaroham-baovao natao no nahalalana fa ny olana goavana tao anatin’ity resaka ity dia ny tsy faneken'ny Tahirimbolam-panjakana hanefa ny volan'ireo orinasa nahazo ny tsenan’ny biometrika ireo. Ny antony dia tsy nanaraka ny fombafomba fanao amin’ny tolobaro-panjakana ny nahazoan’ireo orinasa ireo ny tsena rehetra. Volabe amina miliara anefa no kirakiraina amin’ireo. Ny pasipaoro dia efa andoavana 110.000 Ariary, 38.000 Ariary ny fahazoan-dalana hamily fiara, manginy fotsiny ny “carte grise”. Etsy an-daniny, ny sampana mpanaramaso ny fandanina ny volam-panjakana dia tsy nanaiky hanova ho ara-dalàna ny fanaovana ny tolobaro-panjakana rehetra izany.

Raha niverina amin’ny laoniny ankehitriny ny famokarana pasipaoro sy fahazoan-dalana hamily fiara, namorona taratasy ve ny fanjakana milaza fa nanaovana tolobaro-panjakana ara-dalàna ny nahazoan’ireo orinasa ireo ny tsena ireo ? Namboarina ny daty rehetra ? Natao ny sonian'reo tompon'andraikitra rehetra voakasika ? Nisy ve faneriterena ankolaka tamin’ny nandrosoana indray ny dosie teo anatrehan'ny sampana mpanaramaso ny fandanina ny volampan-jakana mba hasiana fanamarinana mialoha ny handoavana ny vola ?

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT