Actualités

Pasipaoro hosoka sy visa schengen Lehilahy iray nidoboka am-ponja, an-tapitrisany no efa azony


  • Alakamisy 12 Janoary 2023

Tra-tehaky ny Polisy miasa ao amin'ny " Service Central des enquêtes spécialisées et de la Lutte contre les fraudes documentaires (SCESLFD)Anosy ny lehilahy iray 37 taona ny 05 Janoary

teo tetsy Ampefiloha rehefa nisoloky sy nanao hosoka. Ny volana Novambra 2022 no nifankafahantaran'ny mpitory sy ity lehilahy ity ary nandresy lahatra azy ity farany fa mahavita pasipaoro sy visa schengen. Resy lahatra ka nanolotra azy lela-vola 600.000 Ar aloha ilay mpitory mba hanaovana ny pasipaorony. Nandefa ilay sarina pasipaoro misoratra amin'ny anaran' ilay mpitory ilay lehilahy taorina kely (sary namboarina) ka resy lahatra be be kokoa ity farany fa mahavita tokoa izy. Nanome vola mitentina 800.000 Ariary indray arak'izany izy mba hanaovana ny visa. Taty aoriana kely, nitondran'ilay mpisoloky " lettre d'engagement de retour", " faux récépissé de prise d'empreinte" " fausse validation de visa" ary " billet d'avion électronique fictif" misoratra amin'ny anaran'ilay mpitory izy ka roboka ary nandoa lelavola mitentina 4.300.000 Ariary sy 600.000 Arindray ny mpitory. Tsy hita intsony ny nanjavonan’ity lehilahy ity taorian'izay. Nametraka fitoriana teny amin’ny anivon’ny Polisim-pirenena moa ilay voasoloky. Nandray ny andraikiny ireo mpitandro ny filaminana, natao ny vela-pandrika ka voasambotra tetsy Ampefiloha ny 05 Janoary teo ilay mpisoloky. Nandritra ny fisamborana azy dia mbola nahitana karazana anton-taratasy hosoka maromaro sy pasipaoro iray teny taminy. Natolotra ny Fitsarana ny Alatsinainy 09 Janoary teo ny lehilahy ka naiditry ny fitsarana vonjimaika eny Antanimora.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT