Nankatoavin'ny Filankevitry ny Minisitra omaly 27 jolay 2022 ny firosoana amin'ny fanaovana tolo-bidy iraisam-pirenena hanamboarana ny pasipaorom-pirenena malagasy.
Tapitra amin ny taona 2023 mantsy ny fifanaraham-piarahamiasa naharitra 10 taona nataon'ny Fanjakana Malagasy tamin 'ny orinasa vahiny SEMLEX Europe S.A. izay nahazo tsenan’asam-panjakana taloha nanamboatra ny pasipaoro malagasy. Tamin ny taona 2006 no natao io fifanaraham-piarahamiasa io, naharitra 9 taona izany tany am-piandohana, nitarina l0 taona fanampiny indray ny taona 2013, izay nirosoana rahateo tamin’ny fanaovana ny pasipaoro elektronika ho an’ny Repoblikan’i Madagasikara araka ny fenitra ankatoavin’ny sehatra iraisam-pirenena, hoy ny Fanjakana. Ho tapitra io fifanaraham-piarahamiasa amin'ny orinasa SEMLEX Europe S.A. io dia tsy maintsy nirosoana ny fanaovana tolo-bidy iraisam-pirenena vaovao hijerena izay orinasa vaovao hanamboatra indray ny pasipaoro eletronika malagasy manomboka ny taona 2023, hoy hatrany ny Fanjakana ankehitriny. Ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka moa no miantsoroka ny resaka pasipaoro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.