Novelomina indray ny «Association des Parlementaires de la Commission de l’Océan Indien» na AP-COI rehefa natoritory hatramin’ny niforonany ny taona 1997.
Notontosaina tao amin’ny nosy Maorisy ny 4 sy 5 mey 2016 teo moa ny fihaonan’ireo parlemantera mpikambana eto anivon’ny Ranomasimbe Indianina narahina ny fankatoavana ny sata mifehy ity fikambanan’ireo olom-boafidy mpanao lalàna avy amin’ireo nosy mpirahavavy ahitana an’i Seychelles, Comores, La Réunion, Madagasikara ary Maorisy mpampiantrano. Najoro nandritra io fihaonana io ny «Conférence des Présidents» misy ireo filohan’ireo Antenimiera. Natsangana ihany koa ny komity mpanatanteraka ka mitarika azy mandritra ny 2 taona ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Malagasy Mahazoasy Freddie. Natao indrindra hanampy ny ny sekretera jeneralin’ny kaomisionina moa ireo rafitra roa vaovao ireo amin’ny fitadiavana famatsiambola ireo tetikasa miisa 30 iombonana eo anivon’ny COI. Mifototra amin’ny laharam-pahamehana 3 ny asa hosahanin’ny AP-COI dia ny fiomanana sahady amin’ny fiatrehana ny aorian’ny fifanarahan’i Cotonou ny taona 2020, ny fijerena akaiky ireo firenena nosy madinika toa an’i Maorisy amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ary ny fametrahana ny tetikasa filaminana sy fahamarinan-toerana eto amin’ny Oseana Indianina.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.