Actualités

Parking Araben’ny fahaleovantena Ny vola no mahamaika fa “zéro” ny fanovana


  • Zoma 25 Janoary 2013


 Tsy nisy n’inona n’inona niova etsy amin’ireo “Parking” manoloana ny Arcade etsy amin’ny Araben’ny fahaleovantena ny andro nanombohan’ny fandaminana vaovao nataon’ny Kaominina amin’ny fandoavam-bola isan’ora ho an’izay fiara mijanona amin’ity faritra ity, afa-tsy ny fisian’ireo mpiasan’ny fivondronanana mitondra “badge” sy tapakila maromaro homena an’ireo mpamily fiarakodia mampiasa ity toerana ity. Misy mpiasa iray mandray ny fiara miditra ka manolotra taratasy hanoratany ny ora nidiran’io fiara io teo amin’ny faritra misy azy. Nozaraina ho faritra 8 ilay toerana.

Misy iray hafa indray miaraka amin’ny moto na zavatra hafa manakana ny fiara tsy hivoaka raha tsy mandoa ny 200 Ariary isaky ny adin’ny iray ary manome ny rosia mifanandrify amin’izany. Mpiasa tsy dia mbola za-draharaha tsara no hita teny Analakely fa olona mora vinitra sy toa mibaikobaiko izay tsy izy ireo mpamily mangata-panazavana aminy. Tsy misy fiovana hita eo amin’ity “parking” amin’ny araben’ny fahaleovantena ity fa mbola ireo fiara misy soratra “à vendre” no mameno ny toerana. Raha ny fanazavana azo dia manaiky ny hadoa ny 200 Ar isan’ora izy ireo ka arakaraka ny vola any aminy no ahatongavany sy hijanonany eo fa tsy tahaka ny taloha vao mangiran-dratsy sy mandrapahamaizin’ny andro intsony. Mbola eo an-dalana firesahana amin’ny tompon’andraikitry ny CUA hono izy ireo amin’ny hananany saram-piantsonana manokana. Tsy miova koa ny loto sy fofona maimbo ao amin’ity toerana ity fa mbola mitoetra hatrany.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT