Actualités

PARAMED tsy miankina sy an’ny fanjakana Efa ezahana ny hampitoviana lenta azy


  • Alarobia 31 Aogositra 2022

Amin’ny ankapobeny dia saika ireo mpianatra havoakan’ny sekoly ambony miankina amin’ny fanjakana hatrany no voaray ho mpiasam-panjakana rehefa misy ny fandraisana mpiasa eto amintsika.

Taraiky hatrany amin’ny ankapobeny ireo mpianatra havoakan’ny sekoly ambony tsy miankina na dia efa lany andro mandritra ny 3 taonabe izao aza mikatsaka ny ny diplaoma licence, indrindra fa ho an’ireo nianatra ho infirmiera sy mpampivelona. Na izany aza dia efa tsapan’ireo sekoly ambony tsy miankina amin’ny fanjakana fa efa tena manao ezaka ny fanjakana hampitoviana lenta ny fampianarana omen’ny roa tonta. Ho an’ny sekoly ambony ISFPS Leader izay mandray anjara etsy amin’ny Salon de la rentree universitaire karakarain’ny Novi information ohatra dia fantatra fa ampy tsara ho an’ireo mpianatra mivoaka ao aminy ny fahalalana azony. Mahita asa tsara foana ihany koa ny mpianatra raha araka ny fanazavan’Atoa Tsimiondrike Mahasoa, filoha tale jeneralin’ity sekoly ambony iray ity izay tsy mihoatra ny 80 isa isan-taona isaky ny sekoly ambony tsy miankina iray. Ny fanjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka mihitsy no nametraka io fetr’isa io raha araka ny fanazavany mba hahita asa avy hatrany ny mpianatra miofana ho mpampivelona na infirmiera. Ankoatra ny lalam-piofanana paramed moa dia fantatra fa mampianatra momba ny tourisme, ny transit et douane…. ihany koa ity sekoly ambony tsy miankina iray ity.
Pati  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT