Actualités

Paramed Tsy hiasa talata sy zoma ?


  • Talata 12 Jona 2012

Mihamafy tsikelikely arakakaraka ny tsy ahazoany valiny amin’ny fitakiany ny fitokonan’ireo paramed.

 Tapak’ireo solontena avy amin’ny faritra 22 izay nanatanteraka fivoriambe ny faran’ny herinandro teo fa tsy mijanona ny fitokonana manerana ny nosy na dia misy aza ny fifampidinihana iarahana amin’ny komity manokana izay tokony hanomboka amin’ity tolakandro ity.“Efa voafitaka tamin’izany izahay tamin’ny 2010 ka tsy ho tratra intsony” hoy Aimé Rakotondrazafy, filohan’ny sendika Paramed. Ankoatra izay dia nanamafy ny endriky ny fitokonana koa ry zareo satria raha ny talata ihany no natao gorobaka teo aloha izany hoe tsy niasana tontolo andro sy tontolo alina dia miampy ny zoma izany manomboka amin’ity herinandro ity. Ho an’ny andro hafa rehetra kosa dia voafaritra amin’ny 6 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora maraina ny ora fiasana.

Efa nomena toromarika hampiato ny fandefasana ny tatitry ny asa isam-bolana amin’ireo mpiara-miombonantoka sy tsy handray anjara amin’ny fiofanana karakarain’ny ministera koa ny mpiasa rehetra araka ny nambaran’ny filohan’ny sendika. Velom-bolo noho ny fiaraha-mientan’ny paramed amin’ity tolona iraisana ity raha ny tenany satria Csb vitsivitsy sisa no tsy mikatona amin’izao fotoana raha ny fanazavany hatrany. Nanamarika ny hetsika notontosain’izy ireo omaly tetsy amin’ny Hjra ny fanokanana ny kianjan’ny 1200. Faritra malalaka eo anoloan’ny trano fidirana ity hopitaly ity no nofefena sorabaventy manodidina ka nomena io anarana kianja fitolomana io.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT