Actualités

PARAMED Toamasina Nanomboka omaly ny fitokonana faobe


  • Alarobia 30 Mey 2012

Raha efa mitokona ny Paramed amin’ny faritra sasany, dia omaly vao nanao ny azy ireo Paramed ao Toamasina.

 Tahaka ny nataon’ireo namany manerana ny nosy, dia fiandrasan-draharaha amin’ny fotoana tena ilana azy ireo ihany no hiasany ny maraina mandrapahariva ny andro, ny alina kosa dia manao ny asa fiandrasan-draharaha tahaka ny mahazatra izy ireo. Ao amin’ny hopitaliben’i Toamasina no manao ny fitokonany sy ny fitakiany ireto Paramed ireto miaraka amin’ny sorabaventy mitaky ny hampiharana ny mari-karama 1.200Ar ho an’ny Paramed sy hametrahana azy amin’ny sokajy faha-05 ny mpiasam-panjakana. Ho an’ny mpitsabo kosa, dia nanapa-kevitra ny ao Toamasina, fa ny volana jona izao izy ireo vao hanomboka ny fitokonana hiarahany amin’ny namany manerana ny nosy. Nomanina mialoha avokoa mantsy ny fepetra hapetraka mba tsy ny marary indray no iharan’ny vokatry ny fitokonana atao.

Nambaran’ireto mpitsabo tafaresaka taminay ireto fa ankoatra ny tsy fanomezan’ny fanjakana ny zony dia tsy voakarakara ny hopitalim-panjakana tao anatin’ity tetezamita ity. Izao lasa ny marary avokoa no mandoa ny zava-drehetra hatramin’ny vovo-tsavony sy ny siny ampiasaina amin’ny fanadiovana ny efitrano hitsaboana azy ary ny kojakoja madinika izay tokony hiantohan’ny fanjakana, tahaka ny fonon-tanana manokana, ny fanindrona ary ny alikaola ampiasaina”. Nisy tamin’ireo mpitsabo aza nilaza mivantana fa idedahana ny hopitaly manara-penitra, nefa ny hopitaly oniversitera hianaran’ny mpitsabo aza tsizarizary. Dia mba iza izany izao no mpitsabo ampiasaina eo anivon’io hopitaly manara-penitra io ? Ny fanjakana ve no hitantana azy sa ny tsy miankina ? Tsy mazava ny amin’io hatramin’izao.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT