Actualités

PARAMED mitaky ny zony Raisin'ny fanjakana ho fahavalo


  • Alatsinainy 01 Febroary 2021

Nifanandrify indrindra tamin’ny fotoana hanaovan’ireo Paramed tatitra tetsy

 

 

 

 

amin’ny HJRA Ampefiloha ny sabotsy lasa teo no nirotsahan’ny mpitandro filaminana nirongo basy vao maraina teny an-tranony eny Sabotsy Namehana Atoa Ralibera Jerisoa na Paramedy Ralibera, Filohan’ny sendikan’ny Paramed. Mbola teo am-pandriana miomana handeha hamonjy ny teny amin’ny HJRA no nisy zandary tamina fiara tsy mataho-dàlana miisa 4 nitondra basy tonga, hoy izy tao amina fandaharan’ny fahitalavitra iray. Tsy nisy taratasy nampiantso ho any amin’ny zandary, fa ireo no efa tonga teo. Misy “référence” sy “accusé” ny taratasim-panjakana, tsisy nanatitra an’izany, fa zandary tonga, tsy nanolotra taratasy, fa nilaza hoe nirahina izahay haka anao fa misy fanadihadiana atao aminao, hoy ny fanazavany. Tsy fantatra akory hoe iza no nitory. Notazonina hatramin’ny 12ora fotsiny mba tsy ahafahana manao tatitra tamin’ny Paramedy. Nisy fitarainana, hono, tonga teny amin’ny zandarimaria fa hoe: nanao lozam-pifamoivoizana teny Analakely, ary rehefa narahina dia ao amin’io trano io. Fiara ve ahafahana manaraka moto? hoy izy. Efa nangata-dàlana handeha, dia hoe aleo aloha mijanona fa ho avy ny lehibe hanao fanadihadiana, ka natao izay hitazonana tsy ho avy teny amin’ny HJRA. Notondroina ho hetsika tsy nahazoana alalana moa ny tatitra ho an’ny Paramed. Ny tetsy amin’ny HJRA rahateo vao maraina dia rakotra mpitandro ny filaminana. Mazava be, mpiitarika sendikaly ny tena, efa fantampatatra ny antony. Tsy misy adihevitra fa fampihorohoroana na “Intimidation 100%”, ary maninona no efa nasiana Emmo-reg tao amin’ny HJRA? hoy izy. Nanamafy ny hijoroana, ary tsy hanaiky lembenana teo amin’ny fanohintohinana ny zo sendikaly i Paramed Ralibera.

MIFARAKA AMIN’NY LALANA NY FITAKIANA

Nanitrikitrika I Paramed Ralibera Filohan’ny Sendikan’ny mpitsabo mpanampy na ny Paramed, fa ny lalàna laharana 69-015 tamin’ny 16 desammbra 1969 sy ny didim-panjakana laharana 71-125 tamin’ny 16 martsa 1971 no mamaritra sy manome zo amin’ny fanonerana sy fanomezana tambiny ho setrin’io “requisition” nataon’ny Fanjakana io. 7265 ny paramed izay tratran’io avokoa ny 20 martsa 2020-03 novambra 2020, izany hoe nandritra ny 228 andro. Tokony hisitraka 30 000 Ar isan’andro, ary misy aza 36 000Ar isan’andro. 6 840 000Ar isanisany ny vola tokony hositrahan’ny mpitabo mpanampy, hoy i Paramedy Ralibera. Etsy an-kilany, vonona hijoro, tsy hihemotra mihitsy na inona na inona, hoy i Paramedy Ralibera. Nambarany ihany koa fa ao anatin'ny onja faharoan’ny coronavirus isika izao, fa menatra ny fanjakana hilaza izany satria nisy teny hafahafa natao tany aloha.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT