Mbola mihantona ny fampiharana ny “réquisition” satria mbola eny anivon’ny fitsarana ny raharaha, hoy ny SISFM sendikan’ny PARAMED.
Afaka 15 andro vao fantatra ny didim-pitsarana manamafy ilay fanerena miasa na manafoana izany. Raha sanatria anefa ka resy eo anatrehan’ny fitsarana ry zareo PARAMED dia tsy hanaiky hiverina hiasa mihitsy na atao antery aza raha tsy mivoaka ny didim-panjakana mamaritra ilay marikarama 1200. “Raha hanapaka karama ny fanjakana dia omenay ny lisitry ny PARAMED manerana ny Nosy hanapahana ny karamanay rehetra. Raha tsy hanao izay izy dia hanao fametraham-pialana faobe izahay ka aleo ireo PARAMED tsy miankina no hasolony anay”, hoy Rakotonandrasana Valérien, Sekretera jeneralin’ny SISFM. Nahazo ny anjarany avy amin’ny SISFM koa ramatoa minisitry ny fahasalamana, Dr Ndahimananjara Johanita, izay tsy niresaka mihitsy ny vokatry ny asa nosahanin’ny komity manokana nandritra ireo filankevitry ny minisitra maro nifandimby. Efa tamin’ny 15 jona anefa, izany hoe efa iray volana mahery no namita ny asany ity komity ity ka ny fanomezana marikarama 1120 fa tsy 1200 ho an’ny PARAMED no fehin-kevitra lehibe tamin’ilay asany.
“Noraisinay ho tomponandraikitra ramatoa minisitra tany am-boalohany kanefa fihetsika renikely no asetriny amin’ny alalan’ny antsojay sy herisetra. Rehefa manao tsinontsinona anay toy izany izy dia tsy misy antony ilana azy ho minisitra intsony fa miala no mety aminy”, araka ny teny nataon’i Aimé Rakotondrazafy, filohan’ny SISFM. Manomboka amin’io herinandro io dia hiverina hiditra ao amin’ny Kianjan’ny 1200 koa ireto PARAMED ireto na misy aza fandrarana ataon’ny tomponandraikitra. Fantatra koa fa hametraka fitoriana an’ny jeneraly Richard Ravalomanana noho ny fikasihan-tanana ny PARAMED roa lahy izy ireo. Niara-voasambotra tamin’i Valérien izy ireo ary voadaroka koa saingy navotsotra avy eo. Nahazo “certificat médical” manamarina izany ratra tamin’ny vatany izay izy miarahalahy ireo raha ny fanazavana hatrany. Tsy nitory kosa i Valérien izay efa nilaza fa mamela ity jeneraly lehiben’ny Emmo-Reg Analamanga ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.