Actualités

Paramed Manomana fitokonana faobe


  • Alarobia 07 Septambra 2011

Nifantoka betsaka amin’ny fitakiana ny zon’ny mpiasa ny fihaonambe nasionaly notontosain’ny Paramed tany Toliara ny 29 aogositra ka hatramin’ny 02 septambra lasa teo.

 Mpiara-mikarakara io fihaonambe io ny fikambanan’ny Paramed (APM) sy ny sendika (SISFM). Nivoitra nandritra ny tatitra nataon’ny mpitantana ny SISFM isam-paritra fa ny antsasa-manilan’ny Paramed dia tsy mbola mahazo ilay «indemnité de sujetion» mitentina 20.000 ariary isam-bolana raha tsy asian’ny fanjakana resaka kosa ny fangatahan’izy ireo marikarama 1200. Ankoatra izay dia tara ny fampiakarana galona sy fandraisana ho mpiasam-panjakana ny Paramed miasa any amin’ny faritra saro-dalana. Misy ireo efa niasa nandritra ny 10 sy 15 taona nefa mbola mijanona ho mpiana-draharaha hatrany. Manoloana ireo zava-misy ireo dia tsy hipetra-potsiny ireto mpiasan’ny fahasalamana mitazona ny 71%-n’ny tobim-pahasalamana manerana ny Nosy ireto fa hitaky ny zo sy tombontsoany.

Handefa antontan-taratasy mampahafantatra ny manampahefana isan-tokony momba ny fitokonana faobe hotontosainy ny SISFM amin’ny herinandro ambony. «Niaraha-nanapaka tany Toliara fa io marikarama 1200 io no sahaza sy mifanaraka amin’ny catégorie 5 misy ny Paramed raha 650 no marikarama ankehitriny. Hihetsika miaraka avokoa ny Paramed manerana ny Nosy ka mampitandrina ny fanjakana izahay mba tsy hisy ny fampihorohoroana satria tsy hihemotra izahay. Fitakiana sendikaly io fa tsy misy resaka politika”, hoy Rakotonandrasana Jean Valérien, filohan’ny APM. Tsy mbola nanome datin’andro hanombohana ny hetsika anefa izy ireo saingy nanambara kosa fa tsy maintsy mialoha ny fandinihana ny volavolan-dalàna momba ny fandaniam-bolam-panjakana 2012 izany mba tsy hilazan’ny mpitondra indray fa tara loatra ny fitakiana. Mba hialana amin’ny fahatarana ny fikarakarana ny antontan-taratasin’ny Paramed kosa dia mitaky hametrahana Sekreteram-panjakana miadidy ny Paramed na farafaharatsiny “direction générale” ny fihaonambe tany Toliara.

“Chef de service” no rafitra farany ambony miahy azy ireo eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamana izay tsy mahavaha olana. “Raha tsy paramed, tsy mahavaha ny olan’ny Paramed satria dokotera hatrany no lehibe eo anivon’ny rafitra kanefa hita fa tsy misy mpiraharaha loatra ny momba anay”. Farany dia nifanaraka ireo mpizaika tany Toliara fa hanisy sary fo miloko mena amin’ny aron’akanjo fitondrany miasa avokoa ny Paramed manerana ny Nosy ho fanoherana ny fitazonana am-ponja ny namany iray avy ao Vatomandry kanefa tsy misy vesatra anenjehana azy akory. Voarohirohy amin’ny famonoana ny dokotera Ralaivao moa ity farany ka takian’ny SISFM ny fanafainganana ny fitsarana azy.

 

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT