Raha ny tatitra nataon’ny sendikan’ny Paramed dia samy nanaraka ny toromarika fitokonana avokoa ireo namana miasa any amin’ny faritra.
Sarotra moa no manamarina izany saingy raha ny teto an-drenivohitra dia maro ny sampandraharaha tsy nahitana azy ireo. Isan’ireny ny teo anivon’ny sampandraharaha fiterahana ao Befelatanana izay nanampy isa ireo mpitokona ireo mpampiteraka tao an-toerana. Tsy nandray olona toraka izany koa ny sampandraharaha fiterahana teny amin’ny hopitaly Itaosy sy manao fitarafana ao amin’ny HJRA, hoy Rakotondrasana Valérien, Sekretera jeneralin’ny sendika.
Mbola hitohy amin’ity anio ity ny fitokonana rehefa tsy mahafa-po azy ireo ny valintenin’ny minisitry ny vola nandritra ny fihaonany tamin’ny parlemantera CST. Nambaran-dRakotondrasana Valérien ho mandainga ity minisitra ity raha nilaza fa bacc+2 no diplaoma andraisana ireo Paramed ka tsy tokony hahazo ny marikarama 1200. “Bacc +3 no farany ambany aminay ary misy aza ireo manana bacc+7 fa tsy marina”, hoy ity farany. Mbola notsindriany koa fa misy ny firaketana an-tsoratra ny fihaonan’ny solontenan’izy ireo tamin’ny teknisiana teo anivon’ny fiadidiana ny praiminisitra lefitra misahana ny fahasalamana ny 05 martsa 2010 milaza fa io marikarama 1200 io no zakan’ny fanjakana. Manoloana ny fanondroana azy ireo ho mpamono vahoaka dia novalian-dRakotondrasana Valérien fa na dia mitokona aza ry zareo dia mamita “service minimum” mitontaly 42 ora ao anatin’ny herinandro raha 40 ora isan-kerinandro no fe-potoana ara-dalàna tokony tokony hataon’ny mpiasam-panjakana.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.