Actualités

PARAMED Manambana hitokona ihany koa


  • Alakamisy 12 Mey 2016

Manambana ny hanatanteraka fitokonana ihany koa ny Paramed hanairana ny fitondram-panjakana.

 

 Hanatanteraka fihaonambe etsy amin’ny hopitaly HJRA izy ireo anio ho fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny mpitsabo mpanampy sady handinihana ny tohin’ny tolona ihany koa. Nisongadina izany nandritra ny fihaonambe izay notanterahin’izy ireo tetsy amin’ny tokotany malalaky ny HJRA Ampefiloha omaly izay tsy nahazoany efitrano noho ny antony tsy fantatra. Araka ny fanazavan’izy ireo dia tsy mbola nisy novalian’ny fanjakana ny fitakiany nanomboka ny taona 2012 no ho mankaty.  Anisan’ireny ny fijerena manokana ny grille indiciaire,  ny indemnité de risque, ny indemnité de l’eloignement… Miasa 24 ora amin’ny 24 ora anefa ireo paramed ireo, hoy Razanajatovo Jean Christin, mpitondra tenin’izy ireo ary manao asana dokotera mihitsy aza  amin’ny ankapobeny. Miasa fito andro amin’ny fito andro ihany koa,  ankoatra ny dia an-tongotra lavitra be tanterahiny isan’andro  nefa tsy misy fiara. Aorian’izao fihaonana anio izao dia handray fanapahan-kevitra matotra izy ireo.


Légende : Ampahany tamin’ireo paramed tetsy amin’ny HJRA Ampefiloha omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT