Andrasana amin’ity anio ity izay hetsika hotontosain’ireo mpitsabo mpanampy manoloana ny fitakiany hampiakarana ho 1200 ny marikaraman’izy ireo. Fitakiana izay tsy vaovao intsony fa efa tamin’ny andron’ny praiminisitra lefitra nisahana ny fahasalamana, Pr Tehindrazanarivelo Alain.
Raha nanatontosa fivoriambe ireo Paramed avy eto amin’ny faritra Analamanga ny zoma 03 jona teo dia nanamafy fa tsy hanaiky raha tsy tontosa ny fitakiany na dia tsy mbola nanambara ny paikadiny aza izy ireo. Re anefa fa mety hisy indray ny fitokonana tsy hiasa hatombok’izy ireo amin’ity anio ity ary efa miomana hanaraka izany koa ny any amin’ny faritra izay miombon-kevitra tanteraka amin’ny mpitarika ny sendika araka ny nambaran’ny mpikambana iray ao amin’ny sendika SISFM ihany.
Ny herinandro faran’ny volana mey teo tokoa mantsy dia nielipatrana tany amin’ny faritra avokoa ireo mpitantana ny sendika mba hanamafy ny fiaraha-mientana sy nanentana ny Paramed rehetra hampahomby ny hetsika izay hotontosaina. Niaiky rahateo izy ireo fa anisan’ny antony nampandamoka ny fitokonana notontosain’ny Paramed tamin’ny volana martsa 2010 ireny ny tsy fitovian-kevitra tamin’ny fomba nanatanterahana ny hetsika. Raha nanontaniana momba ny fihetsiketsehana omanin’ireto mpiasan’ny fahasalamana ireto ny minisitra am-perinasa, Rajaonarison Pascal Jacques, dia nilaza ny tenany fa vonona hifampidinika ny fitondram-panjakana. Nambarany fa ministera telo no misahana ity raharaha ity dia ny ministeran’ny fahasalamana, ny ministeran’ny asam-panjakana ary ny ministeran’ny tetibola.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.