Actualités

PARAMED Amoron’i Mania Mitokona mitaky ny zony


  • Alakamisy 31 Mey 2012

Nanakatona ny toeram-piasany toy ny laboratoara fanaovana fitiliana aretina sy radio fanaovana fitarafana aretina, nanomboka tamin’ny alakamisy 24 mey lasa teo ireo Paramed dia ireo mpitsabo mpanampy sy mpampivelona mivondrona ao amin’ny SISFM ao Amoron’i Mania.

 Tsy niasa avokoa ireto Paramed tao Amoron’i Mania ireto ny talata 29 mey lasa teo ary omaly alarobia 30 sy anio alakamisy 31 mey izy ireo no tsy niasa mihitsy nanomboka amin’ny valo ora maraina hatramin’ny enina ora hariva. Miditra mandray ny asany kosa izy ireo manomboka amin’ny enina hariva izay manao “Garde” ka mirava amin’ny valo ora maraina. Nambaran’izy ireo omaly alarobia 30 mey 2012 tamin’ny mpanao gazety tao Ambositra tamin’ny alalan’ny Filohan’ny Sendika ao Amoron’i Mania, Rakotomampianina Olivier fa manaraka ny toromarika avy any amin’ny Sendikan’ny Paramed Nasionaly izy ireo ka ny fitakiana mikasika ny fampiakarana ny marikarama 650 ho 1200 taorian’ny fifampiresahana nataon’ny SISFM hatramin’ny taona 2009 izay tsy mbola nahitam-baliny hatramin’izao no anton’ny fitokonana atao.

Mahatratra 150 mianadahy eo ho eo ireo Paramed manao fitokonana ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania ary ny 80 amin’izy ireo ao amin’ny Distrikan’Ambositra raha 20 kosa no misa ao amin’ny hopitaly Volafotsy Ambositra. Efa mahafantatra izao fitokonana ataon’ny Paramed ao Amoron’i Mania izao avokoa ireo tomponandraikitra isan-tokony miasa amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ara-panjakana any an-toerana.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT