Nampahafantatra ny ampamoaka nataona frantsay iray mahalala ny momba ny dosie mikasika ilay tetikasa fametrahana teleferika tao amin’ny tambazotran-tseraserany omaly ny minisitra sady masoivoho malagasy teo aloha, Paraina Auguste.
Araka ny nambaran’ity vahiny ity, hoy izy, dia fantatry ny frantsay tsara fa tsy hahasoa an’Antananarivo velively ny teleferika. Tsy ho tratran’I Madagasikara ihany koa ny fe-potoana natao hamerenana ny vola nindramina hanatontosana izany saingy avelany hanao fampanantena tsy ho tana hatrany ny filoha. Ny teleferika ao Toulouse dia manana alavana 3 km monja raha toa ka 12km kosa ny an’Antananarivo. Ny taona 2016 no nanomboka ny asa fanamboarana ny tao Toulouse izay niarahana tamin’ny orinasa Poma –Bouygues. Mbola anaty andrana izany izao ary vinaniana ho tokanana ny aprily 2022, izany hoe maharitra 6 taona ny asa fanamboarana. Ny Poma – Colas, izay rantsana ao amin’ny Bouygues, ihany koa no nanankinana ny tetikasa ho an’Antananarivo. Tombanana ho vita sy hampidi-bola afaka 8 taona, izany hoe, any amin’ny taona 2030 any izany raha vetivety. Ankoatran’ny tanjona mikasika ny fitakiana ireo nosy Malagasy, araka ny fehinkevitry ny firenena mikambana, izay nandona ny hambom-pon’ny filoham-pireneny sy ny adisisika eo amin’ny sehatra iraisampirenena dia mampametra-panontaniana ny mety ho antoka mikasika ny tsy fahefana ara-potoana ny volan’ity tetikasa ity. Inona no antony hamatsiana tetikasa izay efa fantatra fa tsy hahasoa fiarahamonina ao anatin’ny 14 taona hoavy? Nofinofy rahateo ny tombana hahazoana mpanjifa miisa 40.000 isan’andro amin’ny saran-tariby 3000 ariary hatramin’ny 4000 ariary raha toa ka ny handoa 500 ariary ho saran-dalan’ny taksibe aza mankarary azy. Etsy ankilany dia mbola tsy maintsy efaina koa ny saram-pikojakojana isan-taona ireo fitaovana izay tombanana hanodidina ny 4 hatramin’ny 5 tapitrisa Euro eo, hoy hatrany I Paraina Auguste nanamarika fa mbola tarehimarika mety hiova miankina amin’ny fiovaovan’ny tahabola koa izany.
J. Mirija
Legende : Paraina Auguste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.