Actualités

Paositra Malagasy Mampaneno lakolosy ireo mpiasa ex-ECD


  • Alarobia 18 Jolay 2012

Mampiaka-peo ireo mpiasa ex-ECD ao amin’ny Paositra Malagasy ary dia tafavoaka ny rindrina efatra ny raharaha ankehitriny.

 Leon’ny fandrirarirana ataon’ny mpitantana manoloana ny fangatahana amin’ny hanovana ny fifanarahana arak’asa hifanaraka amin’ny lalàna 64-213 tamin’ny 27 mey 1964 mifehy ny mpiasa amin’ny sokajy atao, hoe : “Agent non encadré de l’Etat” sy ny fanaovana ny mizana tsindrian’ila ireto mpiasa ireto ary dia mivonona ny hilaza ho fanta-bahoaka ny zava-manjo sy iainan’izy ireo, mety ho amin’ity anio ity.
Araka ny fanadihadiana natao dia mahalala tsara ny fangatahan’ireto mpiasa ireto ny minisitry ny fifandraisan-davitra sy ny paositra ary ny teknôlôjia vaovao, Ny Hasina Andriamanjato. Nisy rahateo ny taratasy nalefan’ity farany nankany amin’ny Tale jeneralin’ny Paositra Malagasy, mba hampanarahan’ity farany hifanaraka amin’ny lalàna ny fifanarahana arak’asan’ireo mpiasa ex-ECD ireo, rehefa naharay taratasy nalefan’ny minisitry ny asam-panjakana ny asa ary ny lalàna sosialy, Randriamanantsoa Tabera, tamin’ny 14 mey 2012, izy milaza mazava fa tsy misakana ny hanitsiana hifanaraka amin’ny lalàna ny fifanarahana arak’asan’ireo mpiasa ireo ny ministeran’ny asam-panjakana, ary tokony hisy tetibola mifanaraka amin’izany. Tsy misy fivoarany anefa ny fanatanterahana azy io, matoa tonga amin’izao ny toe-draharaha ankehitriny.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT