Actualités

Paositra Malagasy Antaninarenina “Noroahin’ny mpiasa ny minisitra”


  • Alakamisy 01 Jolay 2021

Tsy manaiky ny fizarana ny paositra ho orinasa 3 samihafa ny mpiasan’ny paositra Malagasy ka nitokona teo an-tokontanin’ity orinasam-panjakana ity tetsy Antaninarenina omaly.

Tsy navelan’izy ireo niditra ny birao fiasany ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary haitao ara-kajy Mirindra (MPTDN) Ramaherijaona Andriahamanohisoa omaly, nirindrina tanteraka ny varavarana, ndana ianao r’ingahy minisitra mody aloha ! Miala any fa mpanao didy jadona ! Miverena mianatra aloha ! santionan’ny horakoraka nandroaka minisitra teny Antaninarenina omalyy izany.
Hamono ny orinasa
Vao miha mamono ny orinasa izany fanapahan-kevitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra izany, hoy ireo sendikan’ny mpiasa. Tsy ekena ny fitsabahan’ny minisitra amin’ny fitantananana ny paositra Malagasy, hoy hatrany ireo mpiasa maro be nitokona teny Antaninarenina omaly.Nampatsiahy izy ireo fa napetraky ny lalàna hoe manana « autonomie de gestion » ny paositra Malagasy koa tsy ekena ny fanovana izany sata izany.Tsy ekena ihany koa , hoy izy ireo ny famindrana ny mpiasa efa lasa mpiasam-panjakana hiasa any amin’ny ministera. Tsy hitsahatra ny fitokonana, raha tsy mivaly ny fitakiana. Mikendry hanimba ny orinasa ny fanapahan-kevitra hizara ny orinasa ho 3 satria lalana mankany amin’ny fanaovana azy ho tsy miankina na “privatisation” izany hoy izy ireo. Ho aiza ny mpiara-miasa sasany? Izany anatin’ny didy jadona ataon’ny minisitra. Haverina any amin’ny ministera, hono, ny mpiasan’ny paositra nefa ny karaman’ny mpiasan’ny ministera aza tsy voaloany koa hoe manana “poste budgetaire” 1500 izy ho an’ny mpiasan’ny paositra? Lainga marivo tototra izany, hoy izy ireo. Henonay ary fantatray tsara fa rehefa voazara, hono, ny paositra dia ho amidy amin’ny mpandraharaha tsy miankina. Mankarary anay izany satria orinasa nimatimatesanay nandritry ny 25 taona no mihoatra. Isan’ny didy jadona izay hoe tsy maintsy atao io satria izaho no mandidy fa tsy ianareo. Ny fangatahanay dia ny fialan’ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary haitao ara-kajy mirindra, Andriamanohisoa Ramaherijaona, hoy hatrany ireto sendikan’ny mpiasan’ny MPTDN ireto.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT