Actualités

Paompin-drano fisotro madio Horakofana ireo Fokontany 9 ao Antehiroka


  • Zoma 15 Jolay 2022

Horakofana paompin-drano fisotro madio avokoa ireo Fokontany miisa 9 mandrafitra ny kaominina Ambohibao Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo.

Tokantrano navondrona tsifolofolo ahitana olona manodidina ny 250 no efa nahazo tombontsoa hatreto raha miisa 25 ireo paompin-drano natsangana. Tsy mihoatra ny 200 metatra miala ny tokantrano no ahitana ireo pampin-drano ireo, mba tsy handehanan’ny olona matsaka lavitrabe. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina Ambohibao Antehiroka sy ry zareo avy any Londres no angady nananana sy vy nahitana izany, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Atoa Lalaina Vatosoa Arthur. Efa fotoana vitsy no nanombohan’ity tetikasa ity ka tonga nanara-maso izany ireo mpamatsy vola ary fantatra fa mbola hotohizana any amin’ny tanana tapany avaratra izany. Anisan’ireny ny Fokontany Amboaroy, Ambohijanahary, Antalamihoatra, Ankadivory ary Antsakambahiny. Tanjona moa ny handrakofana rano fisotro madio ny tanana rehetra ao Ambohibao Antehiroka, hanalana ny olona amin’ny tsakarano mandeha dia an-tongotra lavitra, indrindra fa ho an’ireo kilonga madinika.
Pati
Legende : Nandritra ny fitokanana ny paompin-drano fisotro madio omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT