Miroso amin’ny fijerena manokana sy ny fanadiovana ireo « Panneaux publicitaires » na takelaka dokam-
barotra manerana ny tanàna izao ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, raha ny fanazavana avy eo anivon’ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo. Efa midina manara-maso eny an-toerana ny sampan-draharahan’ny “Urbanisme”. Miantso ireo mpisehatra rehetra ao anatin’izany, na Mpametaka (régisseurs) io na tompon’ny dokam-barotra (annonceurs), mba handray ireo fepetra rehetra iverenana amin’ny ara-dalàna, hoy ny antso. Manana hatramin’ny 31 janoary 2020 izy ireo hanatanterahana izany. Misy ny rohy anaty tambazotran-tserasera azo tsidihana ijerena ny lisitr’ireo takelaka dokam-barotra. Ao aorianan’ny fe-potoana dia ho entitra ny Kaominina amin’ny fanasaziana amin’ny alalan’ny lamandy sy ny fanesorana ireo « panneau » ary ny fiantohana ny lany rehetra amin’izany. Ampahatsiahivina fa ny Tompon’ny dokam-barotra sy ny mpametaka dia miara-tompon’antoka amin’ny fanatanterahana ny sazy, hoy hatrany ny CUA.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.