Actualités

“Panneaux publicitaires” tsy ara-dalŕna Iray no voatery nalana teny Ankorondrano


  • Alakamisy 04 Aogositra 2016

Niroso tamin’ny fanalana ireo takelaby fanaovana dokambarotra (Panneaux publicitaires) tsy ara-dalŕna ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny talata hariva teo ka teny Ankorondrano no nisantarany izany.

Takelaby iray  mirefy 12 metatra amin’ny 3 metatra (12m x 3m) tsy nahazoana alalana nefa nijoro teny amin’ny zaridaina no nesorina ka nentina avy hatrany eny Anosipatrana. Misy ny sazy na lamandy tsy maintsy haloan’ny tompon’ny takelaby rehefa maka ny entany izy ireo. Tsiahivina fa nisy ny fampandrenesana nataon’ny kaominina ho an’ireo orinasa samihafa mampiasa azy ireny ny amin’ny tokony handoavana ny sarany farafahatarany ny 20 jolay 2016 teo nefa mbola nisy ihany ireo tsy nanara-dalàna. Nisy moa ny fampahatsiahivina ireo karazana dingana tokony harahina mialoha ny ametrahana azy. Anisany ny fangatahana alalana, arahin’ny fidinan’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny kaominina eny amin’ny toerana kasaina hametrahana azy, miafara amin’ny fandoavana ny sarany 40 000 Ariary isaky ny iray metatra toradroa isan-taona any amin’ny sampandraharaha misahana izany. Fanombohana ihany ity nataon’ny kaominina  teny Ankorondrano ity  fa hitohy ary tsy hiato intsony ny fanaraha-maso hataon’izy ireo manodidina ireny fitaovana fanaovana dokambarotra tsy manara-dalàna ireny.

 

Pati

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT