Pamplemousses-Maorisy

> Vehivavy Malagasy iray matin’ny lozam-pifamoivoizana


  • Alatsinainy 02 Septambra 2013


Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona tamin’ny lalan’i Pamplemousses atsy amin’ny Nosy Maorisy omaly alahady tamin’ny 5 ora maraina. Olona enina no voalaza fa tao anaty fiara tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza, ka lehilahy Maorisianina ny roa ary vehivavy Gasy kosa ny efatra. Tsy fantatra mazava izay niavian’ny loza fa ny hany voalaza dia nikorisa teny am-pandehanana ilay fiara nitondra azy ireo ary nivadibadika ambony ambany. Vokany, maty tsy tra-drano tamin’izany ny vehivavy Malagasy iray antsoina hoe : Razanandraboto Fidelicia, 29 taona. Nitsoaka nandositra kosa ireo Maorisianina roalahy taorian’ny loza. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ny Polisy ao Pamplemousses hahafantarana ny antonanton’izao ny loza namoizana ain’olona izao. 

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT