PAM

> Manampy betsaka ny vehivavy


  • Zoma 07 Martsa 2014

08 martsa, andro manerantany ho an’ny vehivavy. Mitondra fampandrosoana ho an’ny daholobe ny fitovian-jon’ny lahy sy ny vavy, araka ny lohahevitry ny Firenena Mikambana amin’ity taona ity.

«Ny fanomezana fahefana ny vehivavy kosa dia dingana iray hanafoanana ny hanoanana» indray no lohahevitra banjinin’ny PAM amin’ity 08 martsa ity. Ny andriambavilanitra hatrany tokoa mantsy no kitro ifaharan’ny asa sahanin’ity fikambanana iraisam-pirenena ity amin’ireo fandaharanasa sy tetikasa miompana amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo tohanany. Tohana mba hampaleotena ny vehivavy no tarigetra eto Madagasikara ankoatra io resaka tsy fanjarian-tsakafo io. Omena fiofanana momba ny teknikam-pambolena fohy ezaka nefa manome vokatra betsaka izy ireo. Any atsimo izay toerana iasan’ny PAM dia misy koa ny fananganana fotodrafitrasa manamaivana ny asany toy ny fanasan-damba ankoatra ny fanentanana azy hamorona asa sandaina vola. Manampy betsaka amin’ny seha-panabeazana koa ny PAM izay sady miantoka ny «cantine scolaire» no miezaka mampiroborobo ny fampidirana an-tsekoly ny zazavavy ary ny fanomezana asa sy fitaovana ny reny hanana fidiram-bola amelony ny ankohonany. Misy koa ny fizarany fanampi-tsakafo amin’ireo reny bevohoka sy mitaiza kely mbola any amin’ny faritra atsimo ihany.

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT