Actualités

PAC Mahajanga Nodimandry tampoka ny lehiben’ny Fampanoavana


  • Alakamisy 03 Desambra 2020

Nodimandry tampoka ny alarobia tokony ho tamin’ny 1 ora maraina ny

 

 

 

lehiben’ny Fampanoavana eny anivon’ny rantsam-pitsarana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly (PAC) any Mahajanga fantatra amin’ny anarana hoe Rakotomavo Herisoa Beberto. Aretim-bavony no voalaza fa anton’ny fahafatesana. Nandrasana tao amin’ny lapan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany any Mahajanga ny nofo mangatsiakany ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy. Entina halevina any Fianarantsoa izay faritra fiaviany ny nofo mangatsiakany. Lehiben’ny fampanoavana tany Ambatondrazaka Itompokolahy mialoha ny fifantenana azy ho anisan’ireo hampiodina ny asan’ny PAC Mahajanga. Vao ny faha-23 oktobra 2020 lasa teo no napetraka tamin’ny fomba ofisialy teo amin’ny andraikitra vaovao nosahaniny izy sy ny mpiaramiasa aminy hafa. Malaza ho anisan’ny mpitsara nitoeran’ny fahatsoram-po sy ny fahitsiana Rakotomavo Herisoa Beberto fony fahavelony. Tamin’alahelo lehibe tokoa no nanaovan’Ambatondrazaka veloma azy rehefa voatendry hiasa any amin’ny PAC Mahajanga izy. Nodimandry tamin’ny taon-dasa ny rainy, araka ny fantatra. Nodimandry ny reniny raha vao niandoha kely foana ny fihibohana ny volana martsa 2020 teo. Nodimandry ny rafozany mialoha ny fotoana nandaozany an’Ambatondrazaka ary dia izao izy nindaosin’ny fahafatesana izao ihany koa.

Jean D

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT