OVEC Antsirabe

> Nilaharana tamin’ny alatsinainy


  • Alarobia 25 Septambra 2013

Tafakatra 30 ankehitriny ny kandidŕ ho solombavambahoaka ho an’ny Distrikan’Antsirabe ny alatsinainy lasa teo, andro farany nandraisana ny filatsahan-kofidiana, raha toa ka mbola 16 izany ny sabotsy nanateran’ny ankolafy Ravalomanana ny dosien’ny kandidŕny teo anivon’ny OVEC.

Raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra tao amin’ny OVEC dia tamin’ny 10 ora alina mahery izy ireo vao tafavoaka ny toeram-piasany noho ny fandraisana ireo kandidà. Tahaka izany ihany koa ny tany Antsirabe II satria dia nahatratra 30 ihany koa ireo mpifaninana nametraka  ny antontan-taratasiny amin’izao fotoana. Mitarika ny lisitry ny ankolafy Ravalomanana ao an-toerana ny Depiote teo aloha Atoa Andrianantenaina José. Nambarany fa ny fanohizana ireo asa fampandrosoana efa natao nandritra ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana no tena himasoan’izy ireo raha toa ka mbola anankinan’ny vahoaka ny fitokisany ary vonona hiady amin’ny tsindry hazo lena izay mahazo ny vahoaka hatrany ny tenany.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT