Actualités

OTRA “ Mitaky fahaizana, tena ilain’ny vatana”


  • Zoma 12 Aogositra 2022

Betsaka ireo olona tsy mandeha any amin’ny mpanoratra raha tsy efa tena tsy fidiny. Ny folaka sy ny mioritra ihany ohatra no anisan’ny tena hanatonan’ny olona mpanotra eto amintsika indrindra fa ho an’ireo kilonga madinika.

Ny havizanana ihany koa anefa dia anisan’ny antony tokony hanatonana mpanoratra raha araka ny fanazavan’i Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana. Ankoatra ireo hozatra mivonkona mety hohafahany mantsy dia manaitaitra ireo taova ao anaty mba hiasa ihany koa ny otra raha araka ny fanazavany hatrany. Na izany aza anefa dia nomarihiny kosa fa misy ireo aretina tena ilana fahaizana raha entina any amin’ny mpanoratra. Ho an’ny tosi-dra miaka-midinabe ohatra dia nomarihiny fa tena misy faritra tsy azo kitihina ao amin’ny vatan’ilay olona marary ka ireo mpitsabo nanao fikarohana irery ihany no mahalala izany. Ho an’ireo tratran’ny nerf aciatique indray anefa dia notsindriany manokana fa ny otra irery ihany no manasitrana na hihinana karazam-panafody hafarana avy any am-pitandranomasina aza ilay marary. Ny otra koa hoy izy dia afaka manampy ireo vehivavy sy lehilahy manana olana amin’ny resaka taovam-pananahana….
Pati
Legende : Manasitrana aretina maro ny otra hoy Mandimbison Rija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT