Nanomboka ny fiandohan’ny volana Aogositra lasa teo dia tsy mitsahatra ny mikarakara hetsika entina hampahafantarana ny tanŕnan’Antananarivo ny ORTANA na ny Ofisim-paritry ny fizahantany eto Antananarivo.
Miovaova hatrany ny hetsika tanterahina ao anatin’izany. Ho an’ity herinandro ity, ohatra, dia fampirantiana sary eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina no nisantarana izany nanomboka omaly. Ireo karazana kilalao Malagasy toy ny fanorona, ny katro … ny eny amin’ny kianjan’Andohalo. Amin’ny faran’ny volana septambra ho avy izao vao hifarana ny hetsika. Tanjona ny hanomezana tombony ireo mpiala sasatra avy any amin’ny faritra tonga eto Antananarivo ankoatra ireo mponin’Antananarivo mba tsy haha tompontrano mihono azy. Hitohy amin’ny fampahafantarana ireo mpanoratra Malagasy indray moa ny hetsika amin’io herinandro ho avy io. Anisan’ny manome tanana ny ORTANA amin’izao fampahafantarana an-tsary an’Antananarivo izao ny OFNAC. Anisan’ny nanampy azy betsaka tamin’ny fahazoana ny tahirin-tsary haranty koa ny masoivohon’i Norvezy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.