Actualités

Orinasa Total Mangoron-karena aty Afrika


  • Talata 03 Aprily 2012

Mahoraka any ivelany any, ary taterin’ny tranokala lexpansion.lexpress.fr fa dia nety tsara mihitsy ny asan’ny orinasa frantsay mandraharaha amin’ny solika, taty Afrika, tsy iza izany fa ny Total.

 Fantara ary fa nahazo tombombarotra maherin’ny 12 miliara euros ny Total tamin’ny 2011. Vokatra tsara indrindra azony io hatramin’ny 2008 no ho mankaty. Araka ny fanazavana moa dia ny fiakaran’ny fidin’ny solika teo amin’ny tsena iraisam-pirenena no nahatonga io tombombarotra matevina dia matevina io. Noho ny krizy sy savorovoro tany Libia mantsy dia nihazakazaka ny fiakaran’ny vidin’ny solika teo amin’ny tsena ka nahatratra hatrany amin’ny 111,3 dolara ny baril iray. Marihana fa sady mitrandraka no manadio solika ny Total amin’ny toerana hiasany aty Afrika.

Nanambara i Christophe de Margerie, filoha tale jeneralin’ny Total fa atokana amin’ny fandoavan-ketra amin’ny fanjakana Frantsay ny 1,2 euros amin’io vola be azony tamin’ny 2011 io. Araka ny fanazavany ihany dia mahatratra 20 miliara euros ny fampiasam-bola hataon’ny Total amin’ity 2012 ity ka eritreretina hatrany ny hahazoana tombony mety sy tsara kokoa. Araka ny fanadihadiana natao moa dia mahatratra 11,423 miliara barils ny tahirin-tsoliky ny Gropy Total any ankibon’ny tany any, mitsinjara any amina firenena maromaro izy io tahaka ny aty Afrika sy any Amerika latina. Ity orinasa Frantsay ity izany no anisan’ny manana tahirin-tsolika betsaka indrindra amin’izao fotoana. Manana ny toerany eo amin’ny tsenan-tsolika iraisam-pirenena izy, noho izany ary anisan’ny orinasa mampirehareha ny Frantsay sy miasa ho amin’ny fiarovana ny tombontsoan’i Frantsa.

Azo hanaporofoana izany ny nanatrehan’i Christophe de Margerie ny fihaonan’ny Frantsa-Afrika tany Nice ny 31 mey ka hatramin’ny 1 jona 2011 ka nanambarany fa tena mila an’i Afrika ny “Groupe Total”. Eto Madagasikara, efa hatramin’ny nivarotan’ny fanjakana ny Solima, ny Total ka anisan’ireo orinasa vahiny 4 manafatra solika avy any ivelany sy mivarotra izany eto amintsika. Nanomboka tamin’ny novambra 2008 ihany koa dia ny Total no manana ny petra-bola betsaka indrindra amin’ny fitrandrahana solika any Bemolanga, ary na dia nisy aza ny krizy nanomboka tamin’ny 2009 dia miasa mangina any an-toerana ity orinasa Frantsay ity amin’ny fametrahana ireo fotodrafitrasa rehetra ilaina amin’ny fitrandrahana solika, ka ny Colas izay mbola orinasa Frantsay ihany no miaraka aminy, amin’izany. Fehiny dia tena mangoron-karena aty Afrika ny orinasa Total, ary mandrotsaka vola be ao amin’ny kitapom-bolan’ny fanjakana Frantsay, izay tena betsaka lavitra noho ny hetra arotsany any amin’ilay firenena hitrandrahany na hivarotany solika, ka raha tsy hentitra sy matsilo saina ny mpitondra dia voafetsy mora foana ary tena ho sanatria lasa tompony mangatak’atiny ny tena tompon’ny harena.

RTT

ENCADRE
Orinasa Frantsay goavana indrindra niforona tamin’ny 1924 ny Total raha ny fampiasam-bola no jerena. Tafiditra ao anatin’ireo antsoina hoe Supermajors koa izy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, izany hoe anisan’ireo orinasa enina goavana indrindra amin’ny fandraharahana ny solika. Laharana faha-14 amin’ireo orinasa goavana indrindra maneran-tany koa izy araka ny fanasokajiana farany navoakan’ny Fortune Global tamin’ny 2010. Nanaratsy endrika ny Total, ny fiarahany miasa tamin’ireo miaramila mpanongam-panjakana sy mpanao didy jadona any Birmania, nanomboka tamin’ny 1993. Anisan’ny firenena ahitana ny Total aty Afrika i Alzeria, Maroc, Angola, Nizeria, Congo, Soudan, Ouganda ary i Madagasikara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT