Actualités

Orinasa TIKO Tafaverina ny fiara be 46


  • Alarobia 01 Jona 2016

Fiarabe an’ny orinasa Tiko miisa 46 no fantatra izao fa efa naverin’ny olona tany amin’ity orinasan’i Marc Ravalomanana ity.

 

 Tsy hita popoka na nisy naka taorian’ny raharaha fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 sy nandrobana ny Tiko ireo fiara ireo. Nisy efa nampiasa, novaina loko sy laharana, nisy efa voaova taratasy saingy taorian’ny antso nataon’ny tompon’andraikitry ny orinasa dia maro ny olona tonga saina ary namerina tsy nisy takalony ireo fiara ireo. Araka ny fanadihadiana natao dia tsotra ihany ny faharesen-dahatra nibaiko ireto olona namerina ny fiaran’ny Tiko ireto : ny fahasosorana amin’ny fanjakazakana tadiavin’ny vahiny atao eto sy ho fanohanana ny orinasa tena Malagasy ! Manomboka mirehitra ao am-pon’ny Malagasy indray ny fitiavan-tanindrazana ankehitriny ka izay no mahatonga azy ireo hanohana ny orinasa malagasy, hoy ny tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny Tiko.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT