Nijery ifotony ny fahasimbana sy ny fahapotehan’ny orinasa “Tiko Oil Product (TOP)” ao Toamasina, omaly, ny Dr Rakotomanana Gervais.
Nandritra izany no nilazan’ity Ben’ny tanànan’i Toamasina teo aloha ary mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity fa “tena fanimbana orinasa Malagasy tsotra izao no natao tamin’ity orinasan’ny filoha Marc Ravalomanana ity. Tena mbola betsaka ny Malagasy tsy tia Malagasy mandroso, ka potehina hatramina orinasa manome asa Malagasy maro sy reharehan’ny mpandraharaha Malagasy ihany koa”. Raha ny zava-misy eo anivon’ity orinasan’ny fianakaviana Ravalomanana ity, dia tsy misy niangana intsony ireo fanitso, sy rehefa mety vy mitana ny trano ary ireo fitaovana maro manodina ny orinasa fanadiovana menaka hany notantanana mpandraharaha Malagasy ity.
Raha iverenana ihany koa ny tantara, dia ny filankevitry ny minisitra notarihan’ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita (FAT) Andry Rajoelina sy ny praiminisitra voalohan’ny FAT, Monja Roindefo ny taona 2009, no nandraisan’ny minisitry ny vola tamin’izany, Benja Razafimahaleo, sy ny minisitry ny fitsarana mbola am-perinasa ankehitriny, Razanamahasoa Christine, ary ny minisitry ny varotra tamin’izany ihany koa, Rakotonirina Jean Claude, fanapahana fa hogiazan’ny fanjakana ny fananan’ny TOP II sy ny MANA ary ireo varin’ny MAGRO teo anivon’ny magazay izay samy eo anivon’ny seranantsambon’i Toamasina, ka namidiny amin’ny alalan’ny tombontsoan’ny vahoaka (?)
Dia niarahan’ny Malagasy nahita ny zava-nisy tamin’ny famarotana ny vary sy ny lafarinina ary ireo ambina menaka voadio sy ireo tsy mbola voadio tao fa samy naka ireo “ekipa” rehetra ary samy nibizina ny “namana” mpiara-nitolona nitady “fanovana”. Nananganana komity manokana mihitsy nisahana izany ny taona 2009 – 2010. Na tafiditra tao anatin’ny fanapahana noraisina ny taona 2009 io ny fiarovana ny fananan’ny fianakaviana Ravalomanana tamin’izay, dia tsy izany no zava-nisy fa navela nanjakan’ireo mpangalatra vy sy mpanimba fananan’olona ary ireo jiolahy samy hafa ny TOP II sy MANA.
Ny Frantsay sy Karana no hibaiko
Ankehitriny dia fahapotehana tanteraka no misy ary tazan’ny Malagasy. Nisy ihany ireo mpangalatra vy nosamborin’ny mpitandro ny filaminana saingy mazàna dia votsotra fotsiny noho ny tsy fandraisan’andraikitry ny ministeran’ny varotra teo aloha rehetra milaza fa tompomarika tamin’ny fiambenana. Raha ny vaovao azo teo anivon’ny mpitandro ny filaminana, dia efa nahatratra 30 no voasambotr’izy ireo nanomboka ny volana oktobra ary samy efa miandry ny fitsarana azy ao Ambalatavoahangy avokoa ankehitriny.
Izany dia vokatry ny fandraisan’andraikitry ny ekipan’ny fitsarana vaovao sy ny minisitry ny varotra ankehitriny ary ireo ekipa vaovao ny mpitandro ny filaminana eo anivon’ny seranan-tsambo. “Raha tsy fitiavana olona no hanimbana fananana sy orinasa reharehan’ny Malagasy toy izao, dia tsy ho lasa lavitra fa hietry lalandava ity nosintsika ity satria an’iza indray izany no manaraka raha tapitra ny tetezamita ? Mila fanovana ny fanaovana politika eto amintsika, fa raha izao no mitohy dia ny Frantsay sy Karana hatrany no hibaiko ny indostria sy ny fandraharahana eto Madagasikara”, hoy hatrany ny Dr Rakotomanana Gervais namarana ny fanazavany izay hita ho nalahelo tokoa nahita ny fahapotehan’ity orinasa anisan’ny reharehan’ny Malagasy ity.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.