Actualités

Orinasa Tiko Ny tao Antsirabe ihany no voaaro


  • Alatsinainy 29 Aprily 2013

Taorian’ny fitsidihana ny orinasa Tiko tany Sambaina-Manjakandriana dia nidina avy hatrany tany Vakinankaratra Ramatoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy ka nitsidika indray ny orinasa Tiko Andranomanelatra.

 Omaly tolakandro dia nisy ny fihaonany tamin’ireo mpiasa tonga niaro ny toeram-piasana ka niderany sy nitondrany fisaorana manokana ny mponin’i Vakinankaratra sy ny mpiasa noho ny firaisankina tamin’ny fiarovana ireo orinasa tao Antsirabe. Nambarany fa vao avy nitsidika tany Sambaina ny tenany ka nahita ny fahasimbana sy fandrobana niseho tany an-toerana. Nilaza Ramatoa Lalao Ravalomanana fa ny tao Antsirabe ihany ny orinasa tsy potika noho ny fiaraha-mientan’ny mponina sy ny mpiasa tamin’ny fiarovana azy.

Taorian’izay moa dia nisy ihany koa ny fihaonany manokana tamina tompon’andraikitra samihafa tao Vakinankaratra saingy tsy nisy nipika ny dinika. Fa ny alahady maraina dia tonga niara-nivavaka tamin’ireo krisitianina tao amin’ny Fjkm Vatofotsy ny tenany. Vahoaka marobe no tonga sady liana te hifandray tanana taminy taorian’ny fotoam-pivavahana. Hita sy tsikaritra fa tena olon’ny finoana sy miankina amin’Andriamanitra Ramatoa Lalao Ravalomanana ary feno tsiky lava ny endriny. Nandritra ny fandraisana fitenenana moa dia nilaza ny mpitandrina tao amin’ny Fjkm KAMAFA Vatofotsy fa nandritra ny 52 volana sy iray herinandro no nisarahany tamin’ny vahoaka saingy hafa ny fitondran’Andriamanitra ka dia mbola tafahaona velon’aina ihany. Nilaharana mihitsy moa ny fakana sary tamin-dRamatoa Lalao Ravalomanana teo an-tokotanim-piangonana.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT