Actualités

Orinasa STAR sy ny JCI Hifanome tanana hanohana ny tanora Malagasy


  • Sabotsy 09 Jolay 2016

Hifanome tanana hanohana ny tanora Malagasy ny orinasa Star sy ny fikambanana « Jeune Chambre International Madagascar ».

Efa an-taonany maro  no niara-niasa ny roa tonta saingy  omaly vao noraiketina an-tsoratra  izany teny amin’ny foiben’ny orinasa Star teny Andraharo. Ny mba hahafahana manamafy ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’ireo  tanora no tanjona, indrindra manoloana ny tsy fahampian’ny asa eto amintsika ka mahatonga ireo tanora maro hanaotao foana. Tsy voatery hiandry ny fanjakana foana, hoy  Razafimandimby Aina, filohan’ny JCI Madagascar  vao afaka miasa fa azo hatao tsara ny mamorona asa ho an’ny tanora Malagasy tsirairay avy. Mila mampiasa  saina  anefa  mba hahazoana vokatra mafy sy hahafahana mampandroso ny firenena, antony manosika  azy ireo hanohana ny tanora Malagasy  hatrany. Tafiditra indrindra amin’ny fandalovan’Andriamatoa Ryad Subratti, filoha lefitry ny Jeune Chambre  Internationale eto  amintsika moa izao fifanaovan-tsonia izao, lanonana natrehin’ny tale jeneraly lefitry ny orinasa Star Andriamatoa Emmanule de Tailly an-daniny. Tsiahivina moa fa miisa 16 ny fikambanana JCI eto amintsika ankehitriny,  ahitana mpikambana 25 avy. Ankoatra ny fanampiana ny tanora eto amintsika dia tanjon’izy ireo ny hanafoanana ny aretina Malaria any Afrika mandrapahatongan’ny taona 2030, aretina izay namono zaza iray isan-tsegondra teo aloha.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT