Orinasa SOMAPECHE

> Niarin-doha raha efa saika nikatona


  • Alarobia 25 Septambra 2013

Hiampy 20 tapitrisa dolara amerikanina ny renivola hampiasain’ny China National Agricultural Group Corp avy any Chine ao amin’ny Société Malgache de Pêcherie na SOMAPECHE Mahajanga.

Hiteraka famoronan’asa sy hitondra aina vao ho an’ny toekarena ao Boeny sy ho an’ny firenena izany. Nivoitra io nandritra ny fihaonan’ny Lehiben’ny Faritra Boeny Säïd Ahamad Jaffar sy ny Filoha lefitry ny vodron’orinasam-panjakana sinoa China National Agricultural Group Corp, Atoa Zhou Fuhua ny talata 23 septambra. Notsiahivina tamin’izany fa efa ho 50 taona izao no niasan’ity orinasa mpanjono ity tao Mahajanga. Ny taona 2009, dia namidin’ireo Japoney nitantana azy tamin’ny Sinoa ny SOMAPECHE rehefa nisedra olana ara-pitantanana sy ara-bokatra goavana. Nisy ny fanesorana mpiasa maro sy fanenana ny isan’ny sambo niasa tamin’izany. Efatra taona aty aoriana, miarin-doha ny orinasa araka ny nambaran’Atoa Zhou Fuhua vokatry ny ezak’ireo Malagasy sy Sinoa miasa ao ary ny fanohanana ara-panjakana. Handrotsaka vola mitentina 20 tapitrisa dolara amerikana indray ny China National Agricultural Group Corp, hanitarana ny fampiasam-bola momba ny jono an-dranomasina ataon’ny SOMAPECHE. Tafiditra amin’izany ny fividianana sambo mpanjono vaovao 6 harifomba izay efa tonga ao Mahajanga. Vokatr’izay dia hisy ihany koa araka ny voalazan’Atoa Zhou Fuhua, ny fandraisana mpiasa vaovao. Hisy fiantraikany tsara eo amin’ny toekaren’ny Faritra sy ny firenena ihany koa izany satria hitombo ny hetra hiditra noho ny fitombon’ny vokatra jono haondran’ny SOMAPECHE. Hentitra anefa ny Lehiben’ny Faritra Boeny fa tsy ho ekeny ny mety ho fitrandrahana gaboraraka ny harena an-dranomasina ao amin’ny fari-dranomasin’i Boeny.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT