Actualités

Orinasa Ravinala Airports Nanome fitaovana ho an’ny “Pompiers” ao Fianarantsoa


  • Alakamisy 22 Jolay 2021

Nanolotra fanampiana ara-pitaovana ho an’ny Mpamonjy voina na ny « Pompiers » ao amin’ny Kaominina Fianarantsoa Ambonivohitra tamin’ny alalan’ny Tale Jeneraliny Atoa Patrick Collard sy ny Tale QHSSSEMR

 Rtoa Felana Ratsimbazafy ny Orinasa Ravinala Airports izay miantsoroka ny fitantanana ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Ivato sy Nosy Be. Fanamiana no natolotra, ka nandray sy nanatrika izany ny ben’ny tanànan’i Fianarantsoa Rtoa Sahondramalala Ratsimbazafy. Fanampiana avy amin’ny Fondation Groupe ADP soloin’ny Ravinala Airports tena sady fiaraha-miombon’antoka amin’ny mpamonjy voinan’ny ADP sy ny Aviation Sans Frontières izy io. Tsy sambany amin’ny amin’ny asa sy fifanomezan-tànana ary ny firaisan-kiana no notanterahina. Efa nisy ny fanolorana fanamiana ho an’ny sampan mpamonjy voina teto Antananarivo sy Nosy Be, raha ny fanamarihana sy fampahatsiahivana nataon’ny Ravinala Airports. Tamin’ity indray mitoraka ity kosa dia fanamiana miisa 367 piesy ahitana “vestes, parkas, swets, t-shirt sy polos ahafaha-mihatrika firehetana, shorts ary pataloha” no nositrahan’ny Sampan-draharaha mpamonjy voina ho an’I Fianarantsoa manokana. Tafiditra ao anatin’ny finiavana ary anjara biriky hoentin’ny Ravinala Airports amin’ny lafiny sosialy io hetsika natao io. “Mametraka fanamby maharitra mba ho eo anilan’ny vahoaka Malagasy hatrany izahay. Ny asa hanehoana firaisan-kiana ataonay, dia tsy voafetra eo amin’ny tontolon’ny seranam-piaramanidina izay tantananay ihany fa tena mivelatra amin’I Madagasikara manontolo”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Ravinala Airports nandritra ny lanonam-panolorana ireo fanampiana. Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT