Actualités

Orinasa-randrana sendikaly Miantso ny fanjakana mba hanasonia ilay fifanarahana iraisam-pirenena


  • Talata 09 Martsa 2021

Tsy diso anjara tamin’ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy ny randrana sendikaly usam omaly,

 

 

 

notarihin’ny sekretera jeneralny rtoa mbola nomena. fanentanana tao anaty fiara nanomboka teny amin’ny 67 ha hatreny amin’ny fasan’ny karana sy zone forello tanjombato no nentin’izy ireo nanamarihana izany ho famporisihina ny vehivavy hiditra ao anaty sendika. raha araka ny fanazavany omaly mantsy dia mbola betsaka ireo vehivavy eny anivon’ny orinasa no tsy mahalala akory ny zony. asa mitovy izao ihany ohatra no hatao hoy izy nefa samihafa ny karama. mila mahafantatra izany ny vehivavy hoy hatrany rtoa mbola nomena. nomarihiny moa fa miandry fatratra ny hanasoniavan’ny fitondram-panjakana ilay fifanarahana iraisam-pirenena momba ny asa laharana 190 izy ireo. miantso ireo mpiara-miombon’antoka aminy ihany koa ny randrana sendikaly mba hifanome tanana aminy amin’ny fanatanterahana izany. nomarihin’izy ireo moa na mpiasa an-trano aza dia afaka miditra ao anatin’ny sendika. misy hatrany ny fiofanana omen’izy ireo isaky ny andro sabotsy maraina sy hariva ary ny alahady hariva ho fanampiana ireo sokajin’olona ireny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT