Actualités

Orinasa Orange Madagascar Manatsara ny tolotra ho an’Antsirabe


  • Alakamisy 18 Novambra 2021

Nanome toky fa hiara-dàlana hatrany amin’ny tanàn-dehiben’Antsirabe sy ny faritra amin’ny fampandrosoana ireo fotondrafitrasa ara-pifandraisan-davitra na “telecommunications”

 ny Orange Madagascar, ka hametrahana izany hositrahan’ny mponina sy ireo mpandraharaha ara-toekarena ao an-toerana ireo fitaovana rehetra hanatanterahana izany”, hoy I Frédéric Debord izay nitarika ny delegasionin’io Orinasan-tserasera io nihaona sy nitafa tamin’ny mpanjifany ao Antsirabe nanomboka ny talata 16 novambra teo. Nosafidiana I Antsirabe noho ny maha tanàn-dehibe manana anjara toerana ara-indostrialy sy ara-toekarena azy, toy ny hoe mamokatra ny 80% amin’ny vokatra azo avy amin’ny fanodinana ronono eto Madagasikara,… Mitombo ihany koa ny filàna ara-tserasera. Nandritra ny fitsidihana ireo manam-pahefana samihafa ao an-toerana sy ireo solontenan’ny mpandraharaha no nanangonana ireo fangatahana sy nandrosoana soso-kevitra momba ny serasera izay ahafahan’izy ireo mampivoatra ny fandraharahany sy ny asany. Nisy ny atrikasa niarahana tamin’ireo manam-pahefahana sy mpandraharaha ara-toekarena ireo tao amin’ny Arotel ny 16 novambra lasa teo, fotoana nampahafantarana ihany koa ny tolotra « Internet très haut débit Wifiber ». Isan’ny tolotra nambara fa tena mety sy azon’ny orinasa sitrahana avy hatrany ny « Wifiber Pro ». Tolotra internet haingam-piasa “haut debit illimité”, ary misy tambajotrana antso sy “sms” tafiditra ao anatiny. Naneho ireo tolotra sy vahaolana haingana amin’ny alalan’ireo vokatra mampiavaka azy ihany koa, toy ny orange money, izay manafaingana ny resaka fikirakirana vola amin’ny alalan’ny « Mobile money », izay ahafahana misitraka sy manjifa ny tolotra, mandoa faktiora, mividy zavatra, ary isan’ny tena miavaka ny « mkajy » izay tolotra momba ny fitahirizina. Nahafahana nandray ny hetahetan’ireo ho mpanjifa vaovaon’ny orange ihany koa io fihaonana io, hoy ny fampitam-baovao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT