Manaitra sy manao antso avo amin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny toy ny Ben'ny Tanànan'ny Kaominina Ivato , ireo mpanolontsaina sy ny mpitandron'ny filaminana rehetra ary ny Sefo distrika an’ Ambohidratrimo ny vahoaka ao
anatin'ny Fokontany K 4 sy K 5, ireo mpianatra ao amin'ny sekoly Hay Sclool sy ireo sekoly manodidina rehetra, ireo mpianatra ao amin'ny INPF, ireo olona marefo rehetra, ny vehivavy bevohoka sy ny zaza menavava,…Antony fisian'ny setroka isan'andro isan'andro efa aman-taonany maro avoakan'ireo orinasa ao ambadiky ny INPF Ivato, raha ny fitarainan’izy ireo. «Tena tsy rariny intsony ka tokony andraisana fepetra faran'izay enjana. Mamono vahoaka ary mety hampitondra takaitra ny taovam-pisefoana. Tokony hakatona ny orinasa rehefa tsy mahay sy tsy mihaino ny tompon'andraikitra ao amin'ireo orinasa ireo", hoy ny fanehoan-kevitra. Efa misy noho izany ny fanentanana ny vahoaka tsy ankanavaka mba hijoro sy tsy hanaiky intsony. “Izahay efa niasa tamin’ny orinasa maro fa nametraka ny maha laharapahamehana ny E.I.E na “étude d'impact environnementale”. Ny orinasa notantananay tsy mba nisy nametraka fitarainana. Aza vendrana koa fa fony mbola Malgache Textile io orinasa io dia mbola tsy nampiasa Chaudière, talohan’ny 1999”, hoy hatrany ny fanamarihana eo anatrehan’ny fisian’ny olom-bitsy miezaka miaro sy manadio ilay orinasa voalaza fa manempotra. Tsy maharaka tantara satria zatra notoloram-potsiny sy tsy mampiasa saina, ka tsy misy mifampataohatra izany koa eo fa ny marina marina ihany, hoy ny fanehoan-kevitra. Andrasana ny tohiny mikasika ity raharaha ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.