Actualités

Orinasa MANA Sady tsy amidy no tsy hampanofaina


  • Alarobia 27 Febroary 2013

Manoloana ny vaovao miseho sy miely amin’izao fotoana izao, fa mahaliana ny orinasa amerikanina Seabord Corporation ny orinasan-dRavalomanana mpanao lafarinina ao Toamasina, dia nanao fanambarana ny orinasa Tiko SA, amin’ny alalan’ny Tale jeneraliny fa ny MANA izay orinasa mpanamboatra lafarinina, miorina ao anatin’ny Port Toamasina dia fananan’ny orinasa Tiko SA.

 Nanipika mazava ity farany ao anatin’ilay fanambarana fa “ireo mpampiasa vola ao amin’ny orinasa dia tsy mbola naka fanapahan-kevitra ny hivarotra na hampanofana io orinasa io”. Nampahatsiahy ilay fanambarana fa “noho ny toe-draharaha niseho tamin’ny taona 2009, dia nalain’ny fanjakana io orinasa MANA io, nampiasainy ary nony simba dia nataony “sous scellé” mandraka ankehitriny. Mampalahelo anefa fa misy olona mandroba ny fitaovana ao anatiny ao.

Noho izany dia mangataka ny fanjakana mahefa izahay mba hiaro an’io orinasa io, mba tsy sanatria hitovy amin’ny nanjo ny orinasa TOP ny hahazo azy”. Nampahatsiahy ny Tiko SA ao amin’ny fanambarana fa “araka ny voalazan’ny tondrozotra ao amin’ny andininy faha-26, dia tokony hisy onitra ho an’ireo rehetra niharam-boina tamin’ireny fotoana ireny. Ny orinasa TOP ihany koa mantsy, dia nalain’ny fanjakana ary voaroba tanteraka. Tsy tahotra tsy henatra fa amin’ny andro antoandro sy miaraka amin’ny kamiao mihitsy ireo mpandroba”. Marihana fa namokatra sakafo tsara sy mahasalama ary amin’ny vidiny mirary ny orinasa Tiko tamin’ny fotoana niasany ary namelona fianakaviana an’aliny.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT