Notontosaina omaly teny Soavohitra Manakambahiny PK25 tsy lavitry ny Kaominina Alakamisy Anosiala (RN4)
ny fambolen-kazo ny groupe IGP International Gastronomy Pizza) eto Antananarivo. Mpiasa miisa 300 no namboly zanakazo 10 000 isa mahery (acacia sy mentalys) tamin'ny ampahan-tany 7 ha mahery izay an'ny groupe IGP ihany. 7 taona mifanesy izao ny groupe IGP no nanatanteraka fambolen-kazo tahaka izao ary misy kaomisionina manokana najoro hanara-maso ny fitomboana sy fanirian'ireny zanakazo nambolena ireny. Ny groupe IGP dia manentana sy mandrisika ihany koa ny isambatan'olona, ny sekoly, ny orinasa tsy miankina, ny fikambanana sy ny fiarahamonim-pirenena hanao toy izany ho fiarovana ny tontolo iainana sy hampilamina ary hampirindra ny toetr'andro, hoy ny fanentanana avy amin’io vondron’orinasa io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.