Actualités

Orinasa Jovenna Manazava momba ny solika amidiny sy ny Tsena Bagdad


  • Alarobia 19 Martsa 2014

Nisy ny fepetra niarahan’ireo orinasa mpaninjara solika eto Madagasikara tamin’ny taona 2013, hoy ny Tale jeneralin’ny orinasa Jovenna, Benjamin Memmi.

 Goavana indrindra tamin’io ny fanavahana ireo karazana solika. Nisy, ohatra, ny fandokoana ho mena ny solika fandrehitra. Io angamba no noheverin’ny mpanjifa fa nampiova ny kalitao nefa tsara ny mampahafantatra fa antony ara-teknika no nahatonga ny seho ivelany. «Tsy nihen-danja mihitsy ny kalitaon’ireo solika nohafarana izay hamidy eto amin’ny firenena malagasy ary manaraka ny fenitra iombonan’ny rehetra», hoy ny fanazavana nomeny.

Nitondra fanamarihana manokana ihany koa ny tenany mikasika ny lasantsy amidy eny amin’ny toby mpaninjara. Nambaran’ity tompon’andraikitra vahiny ity fa vokatry ny toetr’andro mangatsiaka avy any ivelany no mahatonga ny fahasarotan’ny fiakaran’ny solika eny amin’ny fantsona fivarotana, araka ny fanampim-panazavany. Miketrika fanentanana ho fanatsarana ny vokatra aroso amin’ny mpanjifa ihany koa ity orinasa mpaninjara solika ity, anisan’izany ny fampiasana famarana elektronika ahafahana mampiseho ny mangarahara tanteraka momba ny fifanakalozana eo amin’ny mpivarotra sy ny mpanjifa.

Tsena Bagdad

Momba ny raharahan’ny tsena Bagdad moa dia miandry ny tena vahaolana mampilamina ny an-daniny sy ny an-kilany ny Jovenna vao manomboka ny tetikasa fanorenana toby fivarotana solika eo amin’ny toerana misoratra amin’ny anaran’ny orinasa na dia efa eo am-pelatanan’izy ireo aza ny fahazoan-dalana rehetra manatanteraka izany efa ho taona iray izao.

Ramano F.  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT