Actualités

Orinasa JIRAMA Toa efa lasa mandatsa mpanjifa isaky ny mihetsika


  • Alakamisy 27 Oktobra 2022

Efa lasa fandatsana, raha izay no azo ilazana azy, sisa ny fankasitrahan’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA ny faharetan’ny mpanjifa manoloana ity tsy fahatomombanan’ny herinaratra tsy mety voavaha hatramin’izao ity.

Vao herinandro lasa izay, raha be indrindra, no toy ireny ahafahana hanao veloma tanteraka ny delestazy ireny mihitsy ny nolazaina fa hetsika fanarenana an’Andekaleka nandritry ny 3 andro sy nanapahana ny herinaratra nandritry ny fotoana maharitra teto Antananarivo. Raha ny serasera sy fihetsiketsehana nataon’ireo tomponandraikitra hatramin’ny fandokafana maro lafy mihitsy nataon’ireo tandapa sy mpanohana fitondrana moa dia tena toy ny hoe “veloma lava Radelestazy!”. Toy ny soasoa voatapo-drano anefa izany raha mbola nahita fampahafantarana avy amin’ity orinasam-pirenena mpamatsy herinaratra sy rano eto Madagasikara ity ihany omaly hoe ireto avy indray ireo ho tapaka herinaratra amin’ny ora izao sy izao amin’ity anio ity (TTF: mantsy ny omaly 26 oktobra 2022). Mankasitraka ny mpanjifa hatrany amin’ny faharetana moa, hoy ny JIRAMA. Fidiny ho azy angaha moa ilay miharitra ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT