Actualités

Orinasa JIRAMA Mitady « releveur »


  • Zoma 14 Janoary 2022

Mitady mpanamari-jiro sy rano na “releveur” amin’izao fotoana izao ny orinasa Jiro sy rano Malagasy na JIRAMA.

 Araka ny fampahafantarana natao dia miandahy miambavy ireo antsoina hiasa ho amin’izany raha toa ka mahafeno ny fepetra ilaina. Ho an’ireo efa mpiasa ao anatiny dia ireo efa niasa nandritry ny 5 taona fara faha keliny no afaka mandray ny asa. Mila manana diplaoma bakalorea kosa anefa ankoatran’ny fananana sokajin’asa 2B. Rehefa tsy izay dia mba nahavita fianarana hatreo amin’ny kilasy famaranana fara-faha keliny ary manana sokajin’asa 3A. Ho an’ireo mbola tsy mpiasan’ny JIRAMA kosa dia ilaina hatrany ny fananana mari-pahaizana bakalorea fara faha keliny ary tsara raha efa manana traikefa tao anatin’ilay sehatra tadiavina. Mahay tsar any tontolon’ny herinaratra, rano, fandaniana sy fandraisana naoty izany. Eo ihany ny fahaizana mifandray aman’olona sy ny fananana toetra mahatoky ary toetra tomponandraikitra sy fahaiza-mandamina. Mazava ho azy, ilaina koa ny fahaiza-miaraka na “esprit d’équipe”. Hatramin’ny faha 21 janoary izao moa no fara-fandraisana ny antotan-taratasin’ireo rehetra liana amin’izany, raha ny fampitam-baovao sy fanazavana hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT