Ainga vao ho an’ny orinasa JIRAMA ny fanendrena ireo mpitantana vaovao rehetra. Natolotry ny Tale Jeneraly, notronon'ny Filohan'ny filankevim-pitantanana sy ireo mpikambana rehetra ao aminy,
tamin’ny fomba ofisialy, omaly , ireo mpikambana miisa 56 anatin’ny rafitra mpanatanteraka eo anivon’ity orinasa ity.Hiompana amin’ny fanarenana sy ny fampandrosoana ny orinasa izay mifototra amin’ny fahombiazana ny andinindinin’ny andraikitra omena ireo rehetra voatendry ireo.« Mba ho olon’ny vahaolana fa tsy olon’ny olana indrindra fa ny ady amin’ny delestazy izy ireo. Ka tena hitondra fanavaozana sy fampiroboroboana ny orinasa ny fandraisana andraikitry ny tsirairay ». hoy ny tale jeneraly.Raha oharina tamin’ny rafitra teo aloha dia nahena ho antsasa-manila ny isan’ny an-tanatohatra amin’ity rafitra vaovao ity, ary nohamafisina ireo andraikitra amin’ny lafiny famokarana sy kalitaon’ny tolotra ho an’ny mpanjifa.
Legende : Ireo mpikambana ao amin’ny rafitra mpanatanteraka eo anivon’ny JIRAMA
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.